<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>800</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Haleloia, asandratray
 Ho Anao, ry Jeso ô !
 Resinao ny rafinay,
 Fa nitsangana Hianao.

[V2]
 Foana ny fasana
 Fa tsy nahatana Anao;
 Ny fahafatesana
 Dia nofolahinao.

[V3]
 Ka mihira izahay,
 Fa nandresy Hianao,
 Ka ho velona indray
 Izahay madinikao.

[V4]
 Hianao hisaoranay
 Raha hitsangana izahay
 Ka handao ny fasanay,
 Mba handray ny lovanay.

[V5]
 Dera no ventesinay
 Ho Anao, ry Zokinay ;
 Hoby no asandratray,
 Ry Mpanjaka maminay.</lyrics>
<title>Haleloia asandratray FFPM800</title>
<author>J. Ramala</author>
</song>